Actualités

Mpiasan’ny CNFPPSH Manana fahasembanana ny 70%


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Mahavita ny asa ampandraiketana azy avokoa ireo mpiara-miasa amiko izay manana fahasembanana ny 70%, hoy ,

Andrianainarivelo Mahandrimanana, talen’ny sampam-piofanana ho an’ny olona manana fahasembanana etsy Ampandrianomby na ny CNFPPSH. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly teny an-toerana ireo manana fahasembanana miisa 58 niofana tao amin’ity ivontoerana ity ary nampisalorana ny anarana “andiany fanantenana”. Manodidina ny 15 ka hatramin’ny 40 taona ireo nahavita fiofanana. Tao ny niofana momba ny fanaovana mofomamy, informatika, taovolo, tenona sy zava-marobe izay  mahatolagaga fa tsy vitan’ny olo-tomombana sasany kanefa dia vitan’izy ireo. Ny mampalahelo, dia mbola vitsy ny orinasa matoky ny mpiofana avoakanay satria raha be indrindra dia 5% isan-taona eo ihany no tahan’ireo ankizy mahita asa mivoaka ato hoy ny talen’ny ivontoerana. Nomarihiny fa dia manampy azy ireo ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina samihafa amin’ny fanatontosana ny tetikasa.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT