Actualités

Mpiasan’ny Akademiam-pirenena etsy Ampefiloha Nanatanteraka asa fanadiovana


  • Zoma 23 Janoary 2015

Toy ny fanaony isan-taona dia nanatanteraka asa fanadiovana ny faritra manodidina azy ireo mpiasan’ny Akademiam-pirenena misahana ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha, notarihin’ny tale jeneraliny Ranaivoson Patrice.

 Naharitra tontolo andro izany nentina nanehoana ny firaisankinan’ny mpiasa, ny fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra ankoatra ny fampiasam-batana ihany koa izay tokony hataon’ny rehetra. Nanodidina ny 120 isa teo ho eo ireo olona nandray anjara tamin’izany izay samy nanamarika fa zava-dehibe tokoa ny fisian’izao asa fanadiovana izao, indrindra taorian’ny nametrahana ireo traboina ao amin’ny ENS Ampefiloha. Na izany aza anefa dia nomarihin-dRanaivoson Patrice fa tsy misy fiantraikany na fiovany amin’ny fidiran’ny mpianatra ao amin’ny ENS izao fisian’ny traboina ao an-toerana izao. Ny hany hangatahiny fotsiny dia ny hanafainganan’ny fitondram-panjakana ny fanalana azy ireo. Amin’ny alatsinainy ho avy izao mantsy no tsy maintsy hiditra hianatra ireo mpianatra ao amin’ny taona fahatelo, tompon’ny efitrano.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT