Actualités

Mpiasan-dranomasina Tsy omen’ny fanjakana hasina


  • Sabotsy 27 Febroary 2016

Hankalazaina eto Antananarivo tsy ho ela ny ho fankalazana ny faha-80 taona nijoroan’ny Sendika Malagasy voalohany.

 

 Anisan’ny handray anjara ao anatin’izany ny Sygmma na Sendika Itambaramben’ny mpiasa an-dranomasina Malagasy, ka mandritra izany no hanamafisan’izy ireo ny fitakiana nataony hatramin’ny taona 2003 niorenany izay efa ahitana mpikambana 2.300 ankehitriny. Tsy omen’ny fanjakana hasina ny mpiasa an-dranomasina Malagasy, izay ahitana ny tantsambo, ny dockers, ny mpanjono, ary ireo mpiasa manodidina ny seranan-tsambo. Araka ny fanazavan’Atoa Razafindraibe Hasinony Lucien, “officer superieur de la marine marchande” sy sekretera jeneralin’ny Sygmma, dia 40 euros no raisin’ny mpiasa an-dranomasina mpanjono iray malagasy, raha amidy 30 euros ny kilao ny makamba any eoropa. Ireo mpiasa amin’ny sambo goavana kosa noho ireo mpanelanelana amin’ny fampidirana mpiasa izay efa tsy ara-dalàna, dia tsy mandray afa-tsy 700 na 800 dolara raha mahazo mihoatra ny 2.000 dolara ireo vahiny mpiara-miasa aminy. Ho an’ny Sygmma izany dia tsy handroso ny asa an-dranomasina sy ny tontolon’ny ranomasina eto amintsika, raha tsy miaina amin’ny karama mahavelona azy sy asa mendrika ary asa maharitra ny mpiasa an-dranomasina Malagasy amin’ny maha nosy an’i Madagasikara. Hotakian’izy ireo mandritra ny fankalazana ny famoahana lalana amin’izay ireo lalana iraisam-pirenena nankatoavin’ny Malagasy. Anisan’ireny ny CTM na “convention de travail maritime” izay efa nihatra tany ivelany ny 20 septambra 2013, ny “convention collective” hiarahan’ny mpampiasa sy ny mpiasa ary ny fanjakana, ny “convention 188” momba ny tantsambo mpanjono, ary ny fiarovana ny tatsambo amin’ny firongatry ny piraty an-dranomasina.

 

Légende: Razafindraibe Hasinony Lucien, sekretera jeneralin’ny Sygmma

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT