Miezaka mafy ankehitriny ny tale jeneralin’ny fitantanana ny vola eo anivon’ny minisiteran’ny vola, mba handiovana tanteraka ny lisitr’ireo mpiasam-pajakana sy mpisotro ronono tokony hisitraka ny zony.
Mpiasam-panjakana ambony efa tsy amin’ny asany intsony kanefa mbola nandray karama miisa 866 no tratran’ny tale jeneralin’ny fitantanana ny vola eo anivon’ny minisiteran’ny Vola ka notapahina avy hatrany ny karaman’izy ireo. Noho izany ezaka vita izany dia afaka nitahiry vola hatrany amin’ny 3 miliara sy 650 tapitrisa ariary ity sampana’asa eo anivon’ny minisitera ity. « Raha ny nambaran’ny tetibolam-panajakana mantsy dia mahatratra 3255 ny isan’ireo mpiasam-panjakana ambony tokony homena karama kanefa ny lisitra ao dia mbola 4594. Tsy misy milaza izahay rehefa miala amin’ny asany ireny mpiasam-panjakana ambony voatendry ireny ka izany no mahatonga ny fahasarotan’ny fanadioavana ny lisitra, hoy ramatoa Randrianatsalama Ihanta Sahondra, tale jeneralin’ny fitantanana ny vola. Ho an’ny mpiasam-panjakana tsotra ihany koa dia mahatratra 2256 no isan’ireo tsy ara-dalàna ka notapahina ihany koa ny karamany. Vokatr’izay dia afaka nitahiry vola hatrany amin’ny 9 miliara ariary ihany koa ny fanjakana. Mahakasika ny fandraisan-dronono indray dia nanambara ny tale jeneralin’ny fitantanana ny vola omaly nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Antaninarenina fa hatramin’izay nizarana ny karatra fisotroan-dronono vaovao izay dia vola mitentina 10 miliara ariary no voapirina rehefa voadio ihany koa ny lisitry ny anaran’ny mpandray fisotroan-dronono izay mbola nahitana olona efa maty miisa 6000. Ny volana desambra sy novambra 2015 teo no nanomboka ny fizarana ny karatra fisotroan-dronono vaovao ka distrika 67 no efa vita. Amin’ity herinandro ity no ho any SAVA ireo mpizara karatra vaovao ary ny distrika ambiny kosa dia miandry amin’ny fotoana main-tany. Mba ho fandrindrana ny asa dia tsy hanan-kery intsony ireo karatra fisotroan-dronono taloha ny volana febroary 2016 izao any amin’ireo distrika efa nizarana karatra vaovao tamin’ny volana novambra 2015 ary ny volana martsa 2016 kosa no tsy hanan-kery intsony izany karatra taloha izany ho an’ireo distrika nizarana karatra vaovao tamin’ny volana desambra 2015.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.