Sahiran-tsaina tato anatin’ny andro maromaro izao ireo mpiasam-panjakana mitsabo tena na tsy maintsy manao fitsirihana sy fizaham-pahasalamana satria tsy maintsy mandoa vola aloha vao misy mandray.
Velom-panontaniana, velon-taraina izy ireo ka nampita ny vaovao taty amin’ny mpanao gazety. Hatreto aloha dia tsy maintsy handoavam-bola ny zava-drehetra atao eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar etsy Avaradoha, ny Clinique des Sœurs eny Ankadifotsy ary ny HOMI eny Soavinandriana. Araka ny fanadihadiana natao dia efa tena be loatra ny trosa tsy voaloan’ny fanjakana eny amin’ireo toeram-pitsaboana ireo ka tsy afaka ny hiditra fatiantoka izy ireo hitsabo maimaimpoana ireo mpiasam-panjakana tonga ao aminy. Mitombo ihany izany ny vesatra ho an’ny mpiasam-panjakana, fa sady efa tsy ampy intsony hiatrehana ny fisondrotry ny vidim-piainana ny karama, no tsy maintsy hanesorana vola be ihany koa raha sanatria ka marary. Feno tanteraka izany manomboka izao ny fahasahiranana ho an’ireo mpiasam-panjakana hitsabo tena satria sady aloa manontolo ny saran’ny fitsaboana, ny fizaham-pahasalamana, ny hofan’ny efitrano any amin’ny hopitaly no sady tsy maintsy aloa ihany koa ny fanafody rehetra. Efa somary nanahirana ihany ny anaovana ny « prise en charge » ho an’ny mpiasam-panjakana teo aloha kely teo, fa izao moa izy izany dia miato mihitsy aloha mba tsy ilazana hoe foana tanteraka. Ilay resaka famerenana ny vola vidim-panafody (remboursement) moa dia efa resaka lazon’ady be satria afaka 2 na 3 taona vao mety hahazoana valiny mahafa-po any amin’ny fanjakana, ka mampalahelo fa matetika aza dia efa nodimandry ilay olona vao mivoaka ny volany. Eto an-drenivohitra izao zava-mitranga izao, fa mbola zava-doza noho izao no iainan’ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra, ka izay no tena mampalaina azy ireo hifindra toerana any lavitra any. Olon-dehibe eto amin’ny firenena ny minisitry ny fahasalamana satria izy ihany koa no praiminisitra lehiben’ny governemanta, koa mbola miandry ny fandraisana andraikitra haingana avy aminy ireo mpiasam-panjakana momba ity fiahiana ara-pahasalamana ity satria efa ady sarotra ihany ny resaka fampitomboana ny karama. Inoana fa hihetsika haingana hamaha ny olana ny governemanta satria hiteraka krizy goavana eto amin’ny firenena indray raha toa ka mihetsika ny mpiasam-panjakana noho ity olana eo amin’ny fiahiana ara-pahsalamana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.