Hitodika eny Iavoloha ny mason’ny mpanara-baovao anio. Hotanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Asaramanitra ifampiarahaban’ny samy andrimpanjakana sy ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara.
Mandritra izany no hanaovan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina lahateny mamintina ny asa vita sy jeritodiky ny taona 2015 sy ny vina ho an’ny taona 2016. Fahazaran’ny mpiasam-panjakana no miandry ny ho fanondrotan-karamana rehefa tonon-taona toy izao. Efa nozarina ny 10% aza ny mpiasam-panjakana. Araka ny loharanom-baovao samihafa dia hanodidina ny 7% eo ny fisondrotana raha hisy. Na tsy namaritra mazava io fisondrotana io aza ny lalàna mifehy ny tetibola 2016 dia nidedaka ho nahazo famatsiam-bola avy any ivelany ny fitondram-panjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.