Nanaiky ilay fifanarahana arak’asa telo volana vaovao ny ankamaroan’ireo mpiasa tsy raikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)
, nanatanteraka fitokonana ny alatsinainy lasa teo tetsy amin’ny lapan’ny tanàna. Nanomboka omaly izy ireo no tonga nanao sonia izany, tetsy Mahamasina, araka ny fanazavan’Andriamorasata Julien, anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina. Mbola misalasala kosa ny ambiny izay nangataka ny hanaovana izany ho enim-bolana. Na izany aza dia nanambara ny teo anivon’ny kaominina, fa fotoana fanaovana drafitra amin’ny fandraisana mpiasa izao, ahitana sy ahafantarana izay mpiasa tena ilaina marina. Ho an’ny sekretera fotsiny dia efa mahatratra 40 isa raha olona iray no ilaina. Vokany, tafakatra 3.500 ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina ankehitriny, 1500 anefa no niandohany tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana, izay tsy maintsy andoavana karama 6.000 tapitrisa Ar isam-bolana. Na izany aza dia lohalaharana izy ireo amin’ny fandraisana polisy monisipaly ataon’ny kaominina, amin’ny alalan’ny fifaninanana mba tsy handraisana mpiasa vaovao intsony. Mikasika ny tsy fananan’ny kaominina vola, dia fantatra fa efa manao fanavaozana ara-bola izy ireo ankehitriny sady miezaka handoa ny karaman’ny mpiasa rehetra. Ny taona 2009 moa raha tsiahivina no tena nampisy ny gaboraraka tamin’ny fandraisana mpiasa teo anivon’ny kaominina ka nampitombo ny isan’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.