Nidina teny amin’ny teny amin’ny toby mpamokatra herinaratra an’ny orinasa jirama eny Ambohimanambola ny Lehiben’ny governementa Ntsay Christian omaly maraina, niaraka tamin’ny minisitry ny Angovo, ny Tale jeneralin’ny Jirama.
Nanamafy izy fa tanjona ny tsy maintsy hampihena ny saran’ny tolotra avy amin’ny jirama kanefa jerena izay tsy hahafaty antoka ity orinasam-panjakana ity. Hentitra ny tenany nilaza fa tsy azo ekena intsony ny toe-java-misy ankehitriny, satria miankina amin’ny sehatry ny angovo ny fanarenana ny firenena, ary tsy handroso ny indostria raha io angovo io no mametraka olana. Efa nomena toromarika ny jirama, satria tanàna 60 eto Madagasikara no mbola miaina ao anatin’ny delestazy matetika. Misy ny amin’ireo mpiara-miombon’antoka, fa misy koa ny andrasantsika amin’ny jirama, amin’ny fanatsarana ny fitantanana anatiny. Tsy maintsy hojerena koa ireo mpanjifa mifandray tendro amin’ny mpiasan’ny Jirama sasantsasany ka manao fitarihana jiro tsy nahazoana àlalana, izay tena miteraka fatiantoka. Tsikaritra fa misy ny fanaovana varomaizina ny soliky ny jirama any amin’ny Distrika sasantsasany, izay miainga avy amin’ny mpiasa ihany, ka nampitandrina ireo tompon’andraikitra eran’ny Distrika ny Praiministra, mba hijery haingana ny fomba hampitsaharana tanteraka izany. Volabe 45 miliara ariary isam-bolana no mivoaka amin’ny Jirama sitrahan’ny mpiara-miombon’antoka. “Izaho matoky sy manantena fa ireo mpitondra vola eto Madagasikara dia hanaraka ny lalàna vaovao hapetratsika. Mitady vola ny mpandraharaha, mitady tombony izy, saingy tsy azo ekena intsony ny tombontsoa mihoapampana, toy ny amin’izao fotoana izao, ary izany indrindra no antony nangatahana tamin’ny minisitry ny Angovo, ny fanavaozana haingana ny fifanarahana rehetra tokony ho vita amin’ny herinandro ambony, hoy izy”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.