Actualités

Mpianatry ny oniversite Tokony ho vahaolana nefa lasa olana


  • Talata 29 Novambra 2016

Mampiavaka ny tontolon’ny fianarana ambony eto amintsika ny fisian’ny vondron’ny mpianatra mitsitokotoko ho fikambanana avy amin’ny faritra izay maro tokoa.

Matetika ireny fikambanana ireny no re amina sehatra maro fa tsy mionona fotsiny amin’ny fianarana, anisan’ireny ny politika. Somary nanaitra, ohatra, ny fahenoana fa mitaraina sy milaza ho sahirana ny mpianatra avy amin’ny faritra Androy na ny « Zanak’Androy » eto Antananarivo, ka mangataka ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana. Mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo no ankamaroany, izany hoe avarapianarana sy manampahaizana. Ny mpianatry ny anjerimanontolo dia olona efa tompon’andraikitra ary ambara fa hoavin’ny fiarahamonina misy azy sy ny firenena manontolo. Izy ireny no tokony hikaro-bahaolana manoloana ny fahantrana lalina mahazo ny firenena fa tsy sanatria mbola ho vesatra ho an’ny tanindrazana. Efa misy ny adidy ataon’ny fanjakana amin’ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny anjerimanontolom-panjakana, ary mbola misitraka tombontsoa hafa toy ny trano ireny mpianatra avy any amin’ny faritra manovo fianarana an-tanàn-dehibe ireny. Tsara ny mivondrona saingy mba hikendrena tombontsoa hiombonana miteraka fampandrosoana ho an’ny tany niaviana fa tsy sanatria natao ho fikambanana tsy misy hazon-damosina, ka zary lasa fitaovana politika etsy sy eroa. Fifaninanana isam-paritra no tokony hapetraka ka iaraha-mitazana eo izay hafitsoky ny mpianatra sy manampahaizana avy amin’ny faritra isanisany hoe iza no tena mahavita zavatra, ary iza no tsy mitondra na inona na inona ho an’ny tany niaviany, fa vesatra fotsiny ho an’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ? Ny fandrosoan’ny faritra isanisany no tokony hitarafana ny herin’ireny manampahaizana isam-paritra fa tsy fisehosehoana amina haino aman-jery etsy sy eroa. Raha izay no tafapetraka dia azo inoana fa mba hisy ampaham-pandrosoana azo tsapain-tanana eto.

 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT