Tsy nanadino ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ireo sekoly ahiany mivantana ny orinasam-pifandraisana Airtel amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana 2015-2016 izao.
Nosinganiny manokana tamin’izany ny sekoly ambaratonga fototra ao Mahavelona izay notoloran’izy ireo boky sy fitaovam-pianarana maro samihafa hahafahan’ny mpianatra miatrika am-pitoniana sy am-pifaliana ny taom-pianarana vaovao. Ho an’ny boky manokana dia nahitana sokajy maro izy ireny toy ny boky kajy, tantara, siansa, frantsay raha eo ihany koa ny boky fialamboly izay misy tantara mahafinaritra ho an’ny ankizy madinika. Tanjona ny hahafahana mampitombo ny fahalalan’ny mpianatra raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bangha. Ankoatra izay dia nanampy manokana ity sekoly ity amin’ireo karazana kojakoja sy sakafo entina hampandehanana ny cantine scolaire ihany koa izy ireo niampy kapa fitondra mianatra ho an’ny mpianatra tsirairay avy. Tsiahivina moa fa efa dimy taona mahery izao no nanohanan’ny Airtel ity EPP ao Mahavelona ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.