Raha nalaza hatrany taloha fa fanaka malemy ny vehivavy dia nampahafantarina ireo mpianatra eo anivon’ny CEG Antanimena, kilasy fahasivy fa tsy mitombina intsony io fomba fitenena io ankehitriny.
Efa mitovy zo ny lahy sy ny vavy eny anivon’ny fiaraha-monina ary tsy tokony hiahotra akory ny vehivavy hilofo amin’ny fianarana sy hijery izay asa tiany hatao rehefa lehibe. Tovovavy mpianatra miisa 20 eo anivon’ity sekolim-panjakana iray iy no nentin’ny orinasam-pifandraisana Airtel nitsidika ny birao foibeny teny Andraharo, ny faran’ny herinandro teo. Tanjon’ny mpikarakara tamin’izany ny nampahafantarina ireto tovovavy mpianatra ireto fa afaka miasa soa aman-tsara amin’ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta ny vehivavy ary mety hahavitabe kokoa aza. Narahina ny fampahafantarana azy ireo moa ny asa eo amin’ny sehatry ny fifandraisana izany…Nohamafisin’Atoa Maixent Bekangba, tale jeneralin’ny Airtel tamin’izany ary fa anisan’ny tanjon’izy ireo ny hampitombo hatrany ny isan’ireo vehivavy miasa eo anivon’ity orinasam-pifandraisana iray ity no sady manaja ny zon’izy ireny ihany koa. Hetsika efa fanaon’ny Airtel isan-taona moa ny tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.