Sivy volana tsy nandray vola ny mpianatry ny AGRO (ESSA) eny Ankatso. Ireo namany amin’ny sekoly ambony hafa toy ny ENS sy ny Polytech anefa mahazo vola. Mahatsiaro hatao ankilabao izy ireo, ary mahatsapa ho nohararaotina tamin’ny fahanginany sy ny nanekeny hanohy ny fianarana hatrany tao anatin’izay volana maro izay.
Hifarana ihany anefa ity ny taona, ho avy rahateo ny fety samihafa, ny eo am-pelatanana anefa tsy misy na ny handehanana taksibe hamonjy fianarana sy hisahanana ny andavanandrom-piainana aza efa trosaina ny an’ny sasany. Vokany, nanao hetsika mangina ny mpianatra nanomboka ny 1 desambra teo, nitokona tsy nianatra. Tsy nisy akony anefa izany ka nitohy tamin’ny fanadinana ny vavahady miditra ny AGRO indray ny alatsinainy teo. Somary takona moa ny toerana misy ny AGRO ka dia tapa-kevitra hampahafantatra an-gazety ny olana mianjady amin’izy ireo ny mpianatra ao amin’ity sekoly ambony mpamolavola injenieran’ny famokarana ity sady mitaky ny handoavana ny anjara volan’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.