Tsy nanadino ireo niangaran’ny vintana ireo mpianatry ny vondro-panabeazana Aceem amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.
Nosinganiny manokana tamin’izany ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ireny EPP sy CEG maro samihafa eto an-drenivohitra ireny. Ho an’ny lycée privée Aceem manokana dia vary 1 taonina, niampy vatomamy sy savony no natolony tamin’izany hahafahan’ireo ankizy mitovy aminy mankalaza am-pilaminana sy am-pifaliana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Nanamarika ny fetin’ny noelim-pihavanana izy ireo omaly tetsy Analakely, fety izay narahina fampisehoana maro samihafa notanterahin’ny mpianatra. Fantatra tamin’izany fa izy ireo ihany no nanangona ireo fanomezana ireo ary ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra no nosafidiany manokana hizara izany amin’ireo zanaky ny sahirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.