Actualités

Mpianatra sy pelaka tsy ampy taona mivarotena Mahazo vola ana hetsiny indray alina


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Ankoatra ny vehivavy dia misy amin’ireo mpanam-bola na vahiny ihany koa no mitady pelaka. Somary miafinafina ireto farany, ary matetika miara-mirevy amin’ireo sipakely koaitra manodidina ny 14 taona izy ireo, izay efa matihanina sahady amin’ny fampanofana tena, tonga mihaodihaody mitady kil amin’ny toerana be olona, toy ny « bar », « boite de nuit », hotely, sns.

Miandry any amin’ny « chambre »

 

Manomboka mahazo vahana ny bizina vehivavy eto amintsika, ka ireo tovovavy na ankizivavy tsy ampy taona mbola mianatra mivarotena an-tselika manao akanjo mampiseho fe na tratra, mampilendalenda ireo tsy mahatana ny fakam-panahiny, rehefa faran’ny herinandro na andro fety no be mpitady ao Toliara. Raha araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana, dia mpanam-bola avokoa no mitady an’ireto mpianatra mivarotena an-tselika ireto, ankoatra ireo teratany vahiny. Efa misy ny mpanera miady varotra mialoha, ary amin’ny alalan’ny antso amin’ny finday dia raikitra ny fanomezana fahafinaretana, satria efa saika miandry any amin’ny “chambre” avokoa ny ankamaroan’ireo “anjampela”, ary misy mahazo vola ana hetsiny indray alina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT