Actualités

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Miitatra toy ny sima misioka ny olan’ny fampianarana. Nidina an-dalambe sy tonga nandrava ny mpianatra teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia omaly maraina.

 

 

 Nitohy teny amin’ny Lisea Nanisana izany ka rava ny fianarana. Nihazo an’Analakely sy Anosy avy eo. Mahagaga kosa ny tsy fisiana baiko fisakanana nataon’ny mpitandro filaminana, tsy tahaka ny hetsika politika hanetsehana rezimanta be, kanefa tena nisy ny fidinana an-dalambe. Ao anatin’ny fitokonana moa ny mpampianatry ny lisea maromaro eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, ary niditra an-tsehatra tamin’ity herinandro ity ihany koa ny Lisea teknika. Noho ny fikatsoan’ny fianarany, dia tonga nandrava ny hafa hanamafy ny hetsika hivalian’ny fitakian’ireo mpampianatra azy ireo mpianatra, raha halalinina ny raharaha. Isan’ny antony ilay raharaha “panier garni” 65 000Ar, ankoatra ny olan’ny fampianarana miseho amin’ny endriny samihafa. Efa nisy ny antso avo nataon’ireo mpampianatra mba hidiran’ny Filoham-pirenena an-tsehatra hitondrany fanazavana sy vahaolana, saingy hatramin’ny omaly tsy mbola nisy valiny. Lojika Mikatso tanteraka ny fampianarana miankina amin’ny fanjakana na ny ambaratonga fototra na ny ambaratonga ambony noho ny fitakiana. Heverina ho efa fambara ratsy ho an’ny fanjakana noho ny fahadisoam-panantenan’ny olona io. Tany amin’ny taona 2018 nanaovany propagandy ny Filoha, dia efa nampiharihary fa manam-bola be ary afaka hanova zavatra. Tamin’ireny dia efa nozarina nomena vola sy zavatra ny olona satria nalaza tamin’izany fa manana 192 tapitrisa euros natontona tamin’ny propagandy ny kandida Rajoelina. Vao propagandy dia efa izany, mainka fa lasa filoha! Ny olana maro samihafa eo: delestazy, olan’ny mpampianatra, fidangan’ny vidim-piainana,… fa ny fanjakana mahavita mampiseho fa manam-bola be hiasana. Handaniana hatrany amin’ny 77 tapitrisa dolara ny fanavaozana kianja, ny hanomezana 5 miliara dolara ny depiote,… koa tsy rariny sy hitsiny ve raha mitaky ny zony sy ny valin-kasasarany ny mpampianatra? Ny zanaky ny mpitondra firenena eto amintsika moa saika amin’ny sekolin’ny manan-katao na eto an-toerana na any ampitan-dranomasina, ka lojika raha tsy tsapany sy toa iniany tsy jerena ny olan’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto, indrindra fa ny miankina amin’ny fanjakana.

Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT