Actualités

Mpianatra Malagasy tany Sina Tsy nahazo diplaoma, tsy afaka mitady asa


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Mafy ny mahazo ireo mpianatra Malagasy nandrato fianarana tany Sina. Raha araka ny vaovao voaray mantsy dia tsy nomen’ireo oniversite lehibe nianaran’izy ireo tany an-toerana ny diplaomany noho ny tsy fahaloavan’ny fitondram-panjakana ny trosa 30 volana, vatsim-pianarana tokony omeny ireo oniversite lehibe any an-toerana.

 

   Efa nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2013-2014 no niainan’ireo mpianatra izany ary tsy mbola voavaha hatreto. Tsy navelan’ireo oniversite nianarany nanao “soutenance” ohatra ny sasany  tamin’izy ireo tamin’ny  taona  2015. Teo an-kilan’izay anefa dia  iray volana monja ihany koa ny vatsim-pianarana mba noraisin’izy tamin’ny taona 2018 raha efa tsy zarizary ny teo aloha rehetra. Nijaly tanteraka ireo mpianatra Malagasy vokatr’izany satria tsy zarizary ny sakafo nohaniny no sady tsy afaka nitsabo tena tsy nanao boky ihany koa. Efa samy  niezaka ny nivaro-pananana sy nanao izay mety avokoa moa raha ny fantatra ny Ray aman-dRenin’izy ireo teto an-tanindrazana saingy tsy  zakan’ny  teo am-pelatanànan’izy ireo izany. Olana goavana tena sedrain’ny mpianatra ankehitriny ny tsy fisian’ny diplaoma eo am-pelantanany hahafahany mitady asa. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity tranga ity araka izany izy ireo. Tsiahivina moa fa nahatratra  273 ireo mpianatra Malagasy nandrato fianarana tany Sina teny am-piandohana lasa 239 mianadahy sisa izy ireo ankehitriny no nahavita hatramin’ny farany.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT