Ela ny ela fa misy eto amintsika ankehitriny ireo mpianatra nandranto fianarana tany ivelany, nody maina tsy nahazo diplaoma.
Anisan’ireny ireo mpianatra Malagasy nandranto fianarana tany Sina. Vokatry ny fandoavan’ny fitondram-panjakana sy ny vatsim-pianaran’izy ireo nanomboka ny taona 2013 no ho mankaty mantsy dia tsy nomen’ireo karazana oniversite any Sina ihany koa ny diplaomany. Vokany, mahatsiaro ho maty antoka tanteraka izy ireo no sady tsy an’asa raha eo ihany koa ny hadisoam-panantenana mahazo ireo ray aman-dreniny, ireto farany izay marihina fa efa saika nivaro-pananana avokoa ny ankamaroany. Ny 60 %-n’izy ireo no efa tafaverina eto an-tanindrazana ankehitriny, raha mbola any an-toerana kosa ny 40 % mamita ny fianarany. Niandry ihany izahay saingy toa lasan-ko vavany fotsiny ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hikarakarany sy handraisany an-tanana izany nefa tsy misy akory. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny raharaha izy ireo. Nomarihin’ireo mpianatra sasany efa tonga nijoro vavolombelona moa fa nandritra ny dimy taona nianarany tany an-toerana dia vatsim-pianarana roa taona monja no mba nomen’ny fanjakana Malagasy azy, raha 650 Euros isam-bolana no vatsim-pianarana tokony horaisiny hanefany ny saram-pianarany sy ny hofantranony. Miandry ny fandoavan’ny fanjakana ny vatsim-pianarany izy ireo hahafahany miverina any Sina maka ny diplaomany. Nomarihin’izy ireo manokana moa fa tsy marina velively ny fanambaran’ny masoivoho Sina miasa sy monina eto amintsika fa tsy misy mpianatra Malagasy tsy mahazo diplaoma izany miverina eto Madagasikara satria porofo mivaingana tsy azony lavina izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.