Niampy 12 isa isan-taona indray raha folo teo aloha ireo mpianatra Malagasy hiantohan’ny firenena Quebecoise saram-pianarana maimaimpoana, handranto fianarana any amin’ny “Université du Québec à Trois – Rivières”.
Miisa 250 izy ireo aty amin’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Ho antsika Malagasy manokana dia tafakatra 22 isa izy ireo. Antony nanosika ity firenena iray hanatontosa izany ny fahafantarany fa tanora avokoa ny 75 %-n’ny vahoaka Malagasy izay mila tohana sy fanampiana manokana, indrindra fa ny mpianatra. Ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Master sy Doctorat no hahazo tombony manokana sy hifanakalo traikefa, fiaraha-miasan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny firenena Quebecoise haharitra dimy taona. Raha araka ny fantatra moa dia mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa miisa 42 ihany koa no hahazo tombontsoa amin’izany, fanapahan-kevitra noraisina omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.