Actualités

Mpianatra ho polisy Inspecteurs sy Agents de police 750 no horaisina


  • Talata 19 Janoary 2016

Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny fampitomboana isa ny polisim-pirenena mba ahafahana mandrakotra azy ireny any amin’ny Faritra rehetra eto amin’ny Nosy.

Fantatra ary fa hisy ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy amin’ity taona 2016 ity ka mpianatra ho Inspecteur de police miisa 100 sy mpianatra ho Agent de police miisa 650 no horaisina amin’izany. Ny antsipiriany mikasika ity fifaninanana ity dia hatao peta-drindrina tsy ho ela amin’ireo biraon’ny polisy manerana ny Nosy. Ireo mpiadina afaka tamin’ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho Inspecteur sy Agent de police natao farany teo kosa dia hiditra amin’ny 24 janoary 2016 izao any amin’ny sekoly any Antsirabe.

Hisy ny fiofanana ara-miaramila miandry azy ireo mandritra ny 45 andro voalohany idirany ao amin’ny sekoly izay hilana tanjaka sy hery ara-batana sy ara-tsaina. Mba ho fisorohana ny olana mety hiseho dia tsy maintsy miverina manao fizahana fahasalamana ireo mpiadina afaka ka mitondra Certificat Medical d’Aptitude avy amin’ny dokoteram-panjakana amin’ny fidirana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT