Nifarana omaly zoma 3 martsa 2017 ny fiofanana fampiharana na « Stage pratique » narahan’ireo mpianatra ho mpitsara miisa 30 mianadahy nampanaovin’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Naharitra 5 andro ny fampiofanana izay nifantoka tamina sehatr’asa maro, ary nifameno sy nanamafy ireo fiofanana efa norantovina tany aloha. Nisongadina nandritra ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny fitsidihana ny sampam-pikarohana momba ny ady heloka « Section de recherche », ny tao amin’ireo tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo sy ny manodidina, ary ny « Direction de la police judiciaire » eto amin’ny Toby Ratsimandrava. Izao no natao dia noho ny fifamenoan’ny asan’ny Fitsarana sy ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny lafiny fikirakirana sy ny fampiharana ny lalàna. Tsy latsa-danja amin’izany ny fandrindrana ny filaminan-bahoaka amin’ny ankapobeny sy ny fanamafisana ny fifandraisan’ireo samy olom-panjakana amin’ny lafiny fandriampahalemana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.