Actualités

Mpianatra ho mpitsabo eny Ankatso « Havotsory ny namanay ! »


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Taorian’ny fiarahan’izy ireo nirodorodo teny amin’ny fitsarana ny alatsinainy lasa teo, dia nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana fitokonana teny amin’ny Esplanade teny Ambohitsaina indray ny hetsiky ny mpianatra ao amin’ny Sampana Fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly.

 Raha tsiahivina, tsy ankasitrahan’izy ireo hatramin’ny farany ny fampiakarana fitsarana ireo namany miisa 4 tafiditra ao anatin’ny raharaha nahafatesan’ilay ramatoa bevohoka teny amin’ny hopitaly Befelatanana, izay ambaran’ny mpitory fa vokatry ny antsirambina nataon’ny tao amin’ny hopitaly no antony. Tsy nijanona teo amin’ny Esplanade kosa anefa ny hetsik’ireo mpianatra fa nidina tany amin’ny Katedraly nisy ireo mpianatry rantsana fitsaboana tao amin’ny taona voalohany mba hamoaka azy ireo. Tsy nanaiky mora kosa ireto farany, izay nilaza ny hanohy ny fianarana mba hisorohana ny tsy fahavitan’ny fandaharam-pianarana,  ka dia raikitra ny fifamaliana, saingy tsy nisy zava-banona intsony ihany no niafarany noho ny kotaba. Fahita matetika eny amin’ny anjerimanontolo ny fandravana mpianatra rehefa misy ny hetsi-pitakiana, ka zary lasibatra hatrany ny hafa. Hitohy hatrany ny fitokonana raha tsy mbola hafahana madiodio ireo mpianatra, hoy ireo nitarika ny grevy  omaly. Raha ny vaovao omaly ihany, dia voalaza fa nanaovana fanadihadiana teny amin’ny sampandraharahan’ny mpitandro ny filaminana misahana ny ady heloka bevava ireo mpianatra voasaringotra ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT