Actualités

Mpianatra eny Ankatso I Raikitra indray ny grevy


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

Tsy ilaozan’olana ny tontolon’ny anjerimanontolom-panjakana eto amintsika. Nitokona indray mantsy ny mpianatra monina eny Ankatso I omaly.

Anton’izany ny filazan’izy ireo fa tsy mangarahara ny fitantanana ny tranon’ny mpianatra. Takian’izy ireo ihany koa ny hipetrahana ao amin’ny trano iray izay tsy ampiasaina kanefa hipetrahan’ny tompon’andraikitra izany raha ny fanazavana azo. Anjakan’ny gaboraraka tanteraka ny resaka tranon’ny mpianatra eny Ambohipo sy Ankatso. Efa lasa bizina ny fahazoana ireny trano ireny. Fomba fanaon’ny mpianatra izay nahavita fianarana ny manoratra ny trano amin’ny anaran’olon-kafa ka ny sasany efa manambady aman-janaka kanefa mbola mijanona eny. Ao ihany koa ny mivarotra ny trano nitoerany aorian’ny fahavitan’ny fianarana. Toa tsy mahefa na inona na inona ny tompon’andraikitra fa dia mitazam-potsiny.  Raha vao misy rahateo ny resaka fanadiovana ny mpianatra monina amin’ny trano dia efa mandrangaranga fitokonana ny mpianatra. Ho an’ny sekoly ambony politeknika eny Vontovorona anefa dia tsy mba toy izany fa milamina tanteraka. Tsy mahazo diplaoma ny mpianatra raha tsy mamerina ny fanalahidin’ny trano nitoerany rehefa vita ny fianarana. Tokony handray fepetra henjana ny manampahefana mba hanafoanana ny gaboraraka sy ny bizina misy. Samy mba te hisitraka izany tranon’ny mpianatra izany ny zanaka Malagasy rehetra fa tsy tokony hifandovana sy hatao fitadiavam-bola ireny fananam-panjakana ireny.

Toky R. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT