Maro ny trangam-piarahamonina mahatsikaiky hita sy misy amin’izao. Efa mivadika ve ny tany sa mihavery ny soatoavina malagasy ? Noho ny resaka ady vehivavy dia tsy nahalala menatr’olona intsony ireto mpianaka nifamono imasom-bahoaka. Tsy vitan’ny fifamaliana am-bava intsony ny resaka teo,
fa tonga dia nodakan-drainy tampoka izay efa mamomamo vao maraina nentin-katezerana teo amin’ny ankasarotany ity zanany lahy 21 taona nirafy taminy, ka safotra nobatabataina novelomina haingana. Ny alatsinainy antoandro teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, tao Betsingilo Toliara, no nisehoan’izany.
Mamo
Raha ny fanazavana azo, efa ho tapa-bolana izy mianaka ireto no nanomboka tsy nifankahazo. Nahiahian-drainy ho manodina ny sipany ity zanany lahy. Hirahiny matetika manatitra vola ho an’io kala io mantsy ity farany. Vaky ambatolampy ary ny nafenina ny harivan’ny alahady teo, satria tratran-drainy nifamihina sy nifanoroka izy roa kely. Niakatr’afo ity raim-pianakaviana mpanitsakitsam-bady ary nolazainy fa namadika azy lasa rafilahiny ny zanany. Tsy vita tamin’io ny adin’izy mianaka, fa nitohy ny alatsinainy rehefa avy nisotro toaka rangahy. Ramatoa vadiny tsy nahateny nitondra henatra noho ny hadalam-badiny.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.