Actualités

Mpatory an-dalana eto an-drenivohitra Mitombo isa hatrany


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Mitombo isa hatrany ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra. Ankoatra ireo nitsoaka an-daharana niala tao amin’ny toerana nametrahan’ny kaominina sy ny minisiteran’ny mponina azy etsy

 

Isotry mantsy dia misy hatrany ireo olona vaovao tonga manatevin-daharana eny izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Mba ho fanampiana azy ireo dia tonga nizara fanampiana ho an’ireo ankizikely  rehetra mpatory an-dalana eto an-drenivohitra ny zoma alina nifoha sabotsy teo ny fikambanana Efajoro tarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Toerana maro no noteteziny tamin’izany toy ny teny ambany Arcade, ny teny ambany tonelina      Analakely. Ora  efatra teo ho eo no nanaovana ny asa, ka ankizy madinika hatrany amin’ny 1.000 isa no nahazo tombontsoa izay nozaraina ronono sy dite mafana niampy mofo sy vatomamy. Tanjona tamin’izao hetsika izao ny hahafahana manampy ny mpiara-belona, indrindra fa ireo niangaran’ny vintana tsy mba afaka matory any an-trano toy ny olon-drehetra,   ny filohan’ny fikambanana Razafimandimby Rija Ethel, renim-pianakaviana iray vonona tanteraka ny hanao izay vitany hahafahana manarina sy mampandroso ny firenena. Tsiahivina fa  am-polony ny isan’ ireo mpikambana ao amin’ny Efajoro  ankehitriny, tamin’ny  volana aogositra taona 2014  kosa no niorina ny fikambanana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT