Actualités

Mpanjaka Andriamanjakarivo Saiid Mampitandrina ireo mametaveta tany masina


  • Alatsinainy 15 Febroary 2016

Niala tamin’ny fahanginany ny Mpanjaka Andriamanjakarivo Saiid manolotra ireo trangan-javatra hafahafa niseho tany amin’ny faritra SAVA tato ho ato.

Ambalavelona any Tanambao Daoud, afo hafahafa, tsy hay hazavaina hatramin’izao, nandoro tanàna tany Antetezandravina, Kaominina Ambohimalaza samy ao amin’ny Distrikan’i Sambava.

Nahitsy ny tenin’ity mifehy ny fanjakana ara-pomban-drazana any amin’ny Faritra SAVA, izay napetraky ny Mpanjakan’ny Antakarana, ISA, avy any Ambilobe, ity raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Sambava ny faran’ny herinandro teo, nilaza fa « misy mametaveta tany masina ara-pomban-drazana ka tezitra ny tany » nefa misy harena be ao.

Aza zimbazimbaina na vetavetaina ireny toerana ireny, hoy ny Mpanjaka Andriamanjakarivo Saiid fa mety hitera-doza. Atsaharo koa ny mosavy sy mandatsa-dra ny tsy manan-tsiny fa « ho hentitra izaho Mpanjaka Andriamanjakarivo hiaro ny olombelona amin’ny tsy rariny ka tsy hanaiky ny hanaovanao izany asa ratsy izany ».

Raha mbola eto aho dia tsy hanaiky ny fisian’izany. Nilaza ny Mpanjaka Andriamanjakarivo fa vonona hiara-kiasa amin’ny sokajin’olona rehetra na mpitondra fanjakana na mpitondra fivavahana.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT