Actualités

Mpaninjara solika Total Hihaona mivantana amin’ny mpanjifa


  • Talata 13 Oktobra 2015

Ho fampahafantarana ny toby mpaninjara solika Total Madagascar sy ny asa vitany teto amintsika nandritra ny 15 taona nijoroany sy niasany dia hanatanteraka varavarana misokatra eny amin’ny dépôt d’aviation Total eny Ivato izy ireo ny 16 oktobra ho avy izao.

 

 Mbola betsaka mantsy no tsy mahalala ity toby iray eto amintsika ity, hoy ny tompon’andraikitra ao aminy tamin’ny mpanao gazety omaly. Misy koa anefa ireo mahalala ihany saingy amin’ny ampahany. Hampahafantarina mandritra io andro io ny asa niantsorohany, anisan’ireny ny fandraisany anjara mavitrika tamin’ny fanatsarana ny sosialin’ny mponina toy ny lafiny ara-pahasalamana ka niarovany ireo areti-mifindra tsy hiparitaka, ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy madinika, ny fizarana jiro mazava amin’ny alina tamin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra miisa 1.700 ho an’ny traboina vokatry ny tondra-drano. Marihina moa fa hotanterahin’izy ireo amin’io andro io ihany koa ny fandraisana ny fangatahan’ny olona rehetra ho fanatonana bebe kokoa ny mpanjifa. Miisa 70 ankehitriny ireo toby mpaninjara solika an’ny Total eto amintsika ka efa tafiditra ao anatin’izany ilay vaovao vao hisokatra ao Maevatanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT