Actualités

Mpangalatra jiro sy rano Tsy maintsy ho saziana


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Fampitam-baovao navoakan’ny Jirama farany ny vokatry ny fidinana ifotony notontosain’ireo mpiasa mpanara-maso mpitsirika ny fanjifana herinaratra sy rano eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy.

 

 1.862 na 40%-n’ireo mpanjifa 4.378 notsidihana no mampiasa herinaratra tsy ara-dalàna. Miisa 705 amin’ireo 2.430 na 29% ihany koa ny trangana halatra rano hita. Mitentina 2,5 miliara ariary kosa ny vola very tsy niditra tao amin’ny Jiro sy Rano Malagasy hatramin’ny fiandohan’ny taona 2017 vokatry ny fanjifam-bokatra an-tsokosoko nitranga teo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Fanapahan-kevitra noraisina voalohany ny fanapahana ny kaontin’ireo mpanao hosoka izay arahina fanenjehana eny amin’ny fitsarana. Hosaziana daholo rahateo ireo mpandika lalàna rehetra tsy an-kanavaka niteraka fatiantoka, araka ny didim-pitondrana nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta ny 26 oktobra 2016. Miandry io finiavan’ny mpitondra fanjakana hanafay ireo mpambotry ny toekarena Malagasy io avokoa moa na ny olom-pirenena na ireo mpamatsy vola mpiara-miombon’antoka. Teboka iray takian’ny Banky sy Tahirimbola iraisampirenena mivory ankehitriny rahateo ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny Jirama, antoky ny fivoahan’ny famatsiambola FEC (Facilité Elargie de Crédit) andiany faharoa.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT