Actualités

Mpandraharahan’ny lodsia ao Toamasina Notolorana mari-boninahitra ireo nahavita be


  • Talata 18 Novambra 2014

Ny sabotsy teo, izany hoe roa andro tsy hanombohan’ny taom-piotazana lodsia 2014 – 2015, dia nankasitraka ireo mpandraharaha, izay vahiny avokoa, ireo nahavita be tamin’ny fihariana lodsia ny vondron’ny mpanondrana lodsia Malagasy ao Toamasina. Notolorana ny “officier de l’ordre national” Atoa isany Bernard Taboul sy Simon Guy Azoulay

ity farany izay 21 taona lasa izay no nanafatra sambo manokana mpaka ny lodsia Malagasy voalohany nanenjehana ny tsena krismasy sy faran’ny taona frantsay sy eoropeanina. Nahazo ny “chevalier de l’ordre national” kosa Rtoa isany Laho Lueng sy Taboulet Pascale ary Atoa Morniere Nicolas. Iretsy roa voalohany kosa dia vehivavy mpandraharaha voalohany niditra tamin’ity fihariana sy fanondranana lodsia Malagasy any eoropa sy frantsa ity. Nomarihan’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Atoa Rafidimanana Narson, fa efa manana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena indrindra fa ao eropa ny fihariana lodsia Malagasy, noho ny ezaky ny rehetra tamin’ny fanatsarana sy fampanarahana ny fenitra momba ny fikirakirana azy. Efa-taona lasa mantsy izay noho ireo olana hita tany eoropa momba ny lodsia Malagasy, dia saika nisy ny fanidiana tsena nataon’ireo eoropeanina, nefa nisyny ezaka natao dia izao voatazona izao ny tsena lodsia Malagasy. Nomarihan’Atoa Rafidimanana Narson hatrany, fa 40.000 ireo mpamokatra mahazo tombony amin’ny fanondranana lodsia ankehitriny, mahatratra 150.000 kosa ireo mpanangom-bokatra sy mpioty ny vokatra ary sampana teknika mivelona amin’ny lodsia ao anatin’ny fe-potoana fohy telo herinandro ny taom-piotazana lodsia. Amin’ity taona ity, dia 17.500 taona ny lodsia haondran’ny Malagasy ka sambo roa no haka azy ao anatin’ny roa herinandro. Anio alatsinainy amin’ny 06ora hariva kosa ny fisokafan’ny tsena, araka ny nambaran’Atoa Talata Michel lehiben’ny faritra atsinanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT