Actualités

Mpandraharaha ny fonja “Mila alefa any am-ponja i Claudine”


  • Talata 23 Mey 2017

Misy fetrany ny fitazonana olona any amin’ny hopitaly fa tsy tazonina mandrakizay any izy, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpandraharaha ny fonja (SPAPM) Realy César Diderot, omaly.

 Olona marary i Claudine Razaimamonjy matoa tazonin’ny hopitaly. Efa tapitra anefa ny fe-potoana 45 andro voafaritry ny lalàna 4673/60 tamin’ny 10 novambra 1960 fa hahafahan’ny olona iray voatazona am-ponja mitsabo tena. Raha misy ny taratasy mazava avy amin’ny hopitaly dia raharaha hafa indray, ary misy ny dingana tsy maintsy arahina, fa raha ny tokony ho izy dia haverina any am-ponja aloha izy rehefa tapitra ny fe-potoana 45 andro, araka ny fanazavan’io tompon’andraikitra io. Raha mila mijanona ao amin’ny hopitaly HJRA na hafindra hopitaly hafa dia tokony hatsangana ny Kaominisionina manokana, ahitana ny talen’ny hopitaly, solontena avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana handinika ny mbola hahafahany mijanona ao na tsia araka ny hevitry ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM), ary nohamafisin’ny Mpisolovava Willy Razafinjatovo. Raha tsy izay dia alefa eny am-ponja izy. Manomboka izao dia mila manova fomba famindra sy fomba fiasa, ka ampitoviana daholo ny vahoaka na iza na iza fa tsy hasiana tombo sy hala. “Maro ny olona tratry ny toe-javatra tahaka izao saingy nahoana no izy irery no iangarana ?”, hoy ny Me Willy Razafinjatovo. Raha dinihina amin’ny fihetsiky ny mpitondra alohadia tsy ho tanteraka mihitsy ny fampidirana am-ponja ity ramatoa ity. Tsy afaka mandray andraikitra hentitra mihitsy ve ny fitsarana sy ny mpandraharaha ny fonja amin’ny fanatanterahana didy famonjana vonjimaika ? Rehefa iza no hampiharina avy hatrany ny didy ary rehefa iza no azo leferina ?


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT