Nandriaka ny ra tao Mahatazana, fokontany Tsararay, Kaominina Miarinavaratra Distrikan’i Fandriana. Mpandraharaha volamena iray antsoina hoe Randriatsiferana Kotondrasoa, 52 taona, no maty tsy tra-drano notifirin’ny jiolahy tao an-tranony.
Lasan’ireo jiolahy taorian’izay ny vola 20 tapitrisa Ariary miampy volamena 100 grama ary finday telo. Teny an-dalana hody izy no nosakanan’ireo olon-dratsy efa-dahy mitam-basy ny moto nentiny. Noteren’izy ireo nidina teny ambony moto ilay mpandraharaha, ny moto kosa nafenin’izy ireo tao anaty lobolobo. Sahabo ho tamin’ny 4 tolakandro ny ora tamin’io. Rehefa izay dia noteren’ireo jiolahy hanoro ny tranony i Kotondrasoa, ka hanome ny vola sy volamena tahiriny tao. Rehefa azon’ireo jiolahy izay nilainy dia notifirin’izy ireo teo amin’ny handriny izy ary nigorobaka tany amin’ny hatony ny bala, avy eo mbola narahina tifitra teo amin’ny kibony. Maty tsy tra-drano ilay mpandraharaha. Nalevina ny alakamisy teo izy, mitohy kosa ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.