Actualités

Mpandraharaha Malagasy Mila tosika manokana


  • Alarobia 30 Novambra 2016

Hotanterahina any Paris Frantsa manomboka rahampitso alakamisy 1 desambra ary hifarana ny zoma 2desambra izao ny fikaonan-dohan’ny mpitondra Malagasy amin’ireo mpamatsy vola.

Afak’omaly ireo minisitra 13 mianadahy anisan’ny hiatrika any no efa nandao an’i Madagasikara. Tanjona ny handresy lahatra ireo mpamatsy vola hamatsy ireo tetikasa 50 mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka mitentina 5 miliara dolara ao anatin'ny 5 taona. Vina ihany koa ny hitady sy hisintona ireo mpandraharaha hampiasa vola eto Madagasikara kanefa ny mpandraharaha Malagasy eto tsy homena hasina sy tsy raharahiana, fa vao mainka poretina aza. Sady tsy nihemotra no tsy niroso ny tontolon'ny asa fandraharahana teto Madagasikara tamin'ity taona ity, raha ny fanambaran’ny ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) tamin’ny alalan’ny filohany Eric Rajaonary. Tsy mbola misy ny tena fitsinjovana azy ireo, hany ka matiantoka noho ny olana maro sosona toy ny delestazy efa ho lava ny mpandraharaha kanefa mbola vesarana hetra isan-karazany. Ireo mpandraharaha Malagasy ireo aloha no tokony hitadiavam-bahaolana, raha tena hampandroso marina no tanjona fa tsy ny vahiny izay tsy maintsy hikatsaka ny tombony ho azy no mbola hatavezina eto.

 

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT