Actualités

Mpandraharaha Afrikanina tatsimo Hanodina ho ranomboankazo ny mangan’i Mahajanga


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Tonga nampahafantatra tamin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Atoa Saďd Ahamad Jaffar ny fanirian’izy ireo hanangana orinasa hanodina ho ranomboankazo natoraly sy kaonfitira ny mangan’i Mahajanga

, ireo mpandraharaha avy ao Afrika Atsimo, ny talata teo. Nanao fanadihadiana ireo mpandraharaha ireo ary nahatsapa fa i Boeny no faritra mamokatra manga be indrindra eto Madagasikara, ka niantefan’ny safidin’izy ireo. Ao Ambovondramanesy, Distrikan’i Mahajanga II amin’iny lalam-pirenena RN4 iny, no toerana metimety amin’izy ireo hananganana ny orinasa. Nitsidika ny seranan-tsambon’i Mahajanga koa ireo mpandraharaha nijery ny olana sy izay hanampiana mba ahafahana manondrana ny entana avy ao Mahajanga mankany Afrika Atsimo amin’ny alalan’ny sambo.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT