Azo antoka tsy isalasalana fa misy mandainga aminareo roalahy ry Jean, mikasika ilay fametraham-pialana nahabe resaka tamin’ny zoma iny.
Vokatr’izany dia hiely eran-tany fa misy mpitondra mpandainga sy mpamitaka eto Madagasikara ary koa tsy hisy hino sy hatoky anareo mpitondra intsony koa ny vahoaka Malagasy manomboka izao satria ianareo samy ngeza aza moa mifamitaka, koa azo antoka fa tena tsy sarotra aminareo ary hataonareo, raha tsy efa nataonareo ny famitahana vahoaka ary izay mbola hokasainareo atao eto amin’ny firenena dia tsy maintsy hahamahina ny vahoaka manomboka izao satria tsy hisy fahamarinana intsony sady efa hita taratra fa tsy maintsy hifono lainga sy fitaka. Izay fampihavanana mety mbola hotohizanareo dia hifono lainga sy fitaka. Izay mbola fifidianana hataonareo dia hifono fitaka ary izay rehetra fampanantenana sy izay mbola hokabarianareo dia hifono lainga sy fitaka.
Marco tsy matoky intsony
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.