Actualités

Mpanao vakansy mivoaka any amin’ny faritra Vitsy tamin’ity faran’ny taona ity


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Vitsy ireo mpiala sasatra nivoaka tany amin’ny faritra tamin’ity faran’ny taona 2018 ity, raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny toby fiantsonana Andohatapenaka. Voakasik’izany ireo miazo an’i Mahajanga ka ireo tsy maintsy mody any amin’ireo fianakaviany ihany sisa no mandeha.

 

 

 Noho ny toe-draharaharam-pirenena amin’ny ankapobeny no voalaza fa antony  mahatonga izany, indrindra  fa ny tebiteby ny amin’ny mety hisian’ny korontana. Eo an-danin’izay ihany koa raha araka ny fanazavan’ireo mpandeha dia mahay mafy ny amin’ny mety hampirongatra ny fanararaotana hataon’ireo mpanakan-dalana any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra izy ireo amin’izao ankatoky ny fety izao ka aleony ihany mihafy miara-manao fety amin’ireo ankohonany eto an-drenivohitra. Ho an’ireo maniry te-handeha kosa anefa  tsy afaka dia ny vola hampiasaina mihitsy no tsy misy noho ny fahasahiranana maro samihafa niainan’ny isan-tokantrano nandritra ity taona 2018 madiva  hivalona ity. Nijanona ho 30.000 Ar ihany ny saran-dalana mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga vokatr’izany fa tsy nahitana fiakarany toy ny isan-taona.   Na izany aza anefa dia nanambara ireo koperativa mpitatitra olona mampiasa ity lalam-pirenena iray ity fa tsy nahitana mpisakan-dalana firy intsony tany an-toerana tato ho ato. Ny lalana hoy izy ireo no ilàna fitandremana satria malama noho ny ranon’orana ka ilana olona mahafehy izany. Tsiahivina moa fa mila manana 1 tapitrisa Ar raha kely ny fianakaviana iray misy ankizy  efatra raha hiala sasatra mandritra ny efatra na dimy andro ao Mahajanga.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT