Ny alahady tolakandro teo mba nanararaotra ny fahamainan’ny andro taorian’ny orana ny tontolon’ny alahady maraina, ity tovolahy 29 taona mpiala sasatra avy ao Antananarivo ity sy ireo namany izay mbola mpiala sasatra ihany koa. Nisafidy ny tao Ampanalana izy ireo nilomanosana an-dranomasina.
Raha samy variana nilomano iny ny rehetra dia tsy taitra raha nahita ity tovolahy 29 taona miha manalavitra ny morontsiraka, izay tahaka ny milomano ihany saingy efa manavo-tena noho ny fitarihan’ny ranomasina azy manalavitra ny torapasika. Tsy taitra ny namany raha izy efa niantso vonjy vizaky ny fanoherana ny onja manosika azy ho eny afovoan-dranomasina. Niezaka hanavotra azy noho izany ireo namany saingy efa lavitry ny morontsiraka no nisy azy, ny onja manosika ihany koa nahery be ka niverin-dalana izy ireo, ary nanomboka teo no tsy hita popoka ilay tovolahy 29 taona, izay mbola karohan’ny fianakaviany sy ny fokontany ary ny mpamonjy voinan’ny kaominin’i Toamasina I hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Isan-taona no mahafaty olona ity ranomasin’Ampanalana ity, ary ny fotoam-pialantsasatra hatrany no mitranga, dia ny paska sy tahaka izao ary ny faran’ny taona.
Tsy resaka “lolo” anefa no mahatonga izany, araka ny fanazavan’ireo mponina mahalala tsara ity ranomasin’Ampanalana ity, fa resaka onja mitarika ateraky ny fihodinan’ny ranomasina avy eny amin’ny seranantsambo mandalo amin’ny fari-dranomasina misy azy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.