Actualités

Mpanao «kidnapping» Navoakan’ny Fanjakana


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Nafahan’ny Fitsarana ambony Fianarantsoa tanteraka ireo mpanao «kidnapping» nampihorohoro tao Manakara, tamin’ny didy nivoaka ny zoma 30 septambra 2016, nandritra ny Fitsarana ady heloka bevava notanterahina tao Manakara.

Toy ny  vara-datsaka no nandrenesan’ny tao Manakara ny vaovao, ary samy gaga avokoa ny rehetra sady velom-panontaniana hoe : fa inona no nitranga tany ambonimbony tany ? Amin’izany indray na ny mpitory aza tsy nahazo fampiantsoana tamin’ity raharaham-pitsarana tamin’ny zoma ity. Tamin’ny fiandohan’ny volana jona 2014 no niseho ity fakana an-keriny ity. Mpandraharaha sinoa zanatany ao Manakara no lasibatra. Avy nanidy tsena hariva ary niomana hamonjy fodiana izy no tonga tampoka ireo mpaka an-keriny. Nipoapoaka ny basy tamin’izay, satria tao afovoan-tsenan’i Manakara, izay toerana be olona no nitrangan’ity fakana an-keriny ity tamin’izay. Votsotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy anefa ilay mpandraharaha, saingy naratra. Nitsoaka ary nifanenjehana ireo jiolahy. Nataon’ny zandary ny sakana tamin’ny lalam-pirenena mivoaka sy miditra an’i Manakara. Tany Vohipeno, efa nikasa hiakatra aty Antananarivo no sarona ny sasany. Tafakatra efatra ambin’ny folo mianadahy ireo voarohirohy, ary notanana am-ponja vojimaika tao Manakara. Tratra ihany koa ary nogiazana ny fiara Peugeot 205 sy fiara 4x4 nampiasan’izy ireo. Nangataka fahafahana vonjimaika tamin’ny tribonaly ambaratonga voalohany ireo mpaka an-keriny fa tsy nahazo, dia io navotsotry ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Fitsarana ambony tao Fianarantsoa io izy ireo, ka anisany ilay tena atidohan’ny fakana an-keriny. Mihorohoro i Manakara iray vohitra ankehitriny indrindra ny mpandraharaha manoloana izao toe-javatra izao. Niloa-bava ny olom-boafidy sy ny mponina, fa ny toe-javatra toy izao no mampirisika ny fitsaram-bahoaka. Manana telo andro ny mpitory hanao fampankarana any amin’ny Fitsarana fandravana didy raha tsy afa-po amin’ny didy nivoaka.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT