Actualités

Mpanao gazety sy ny fifidianana Mila mampiseho ny maha matihanina azy


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Manana andraikitra amin’ny fampahafantarana ny momba ny fifidianana ny mpanao gazety, toy ny fanentanana, fanazavana ary ny fitaterana ny zava-misy mialoha sy mandritra ny fifidianana rehetra .

 

 Araka ny nambaran`ny filohan`ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), Gerard Rakotonirina, hiditra amin`ny fihodinana faharoa i Madagasikara ka ny mpanao gazety dia tokony hipetraka amin`ny maha mpanao gazety azy, izany hoe, mitatitra  vaovao marina sy voamarina izay vao mivoaka no andraikiny voalohany. Ekena fa olo-pirenena ny mpanao gazety ka manana ny safidiny fa mila mieritreritra ho an`ny vahoaka. Amin`ny ankapobeny, ny mpanao gazety no andraisan`ny olona fanapahan-kevitra amin`izay lalana tokony hizorany ho an`ny tombontsoan`i Madagasikara sy ny mpifidy ka mila mitandrina fatratra amin`ny vaovao havoakany satria voaporofo amin`izao fa mitady fitoniana ny vahoaka Malagasy. Nidera ny mpanao gazety ny filohan`ny OJM tamin`ny fihodinana voalohany ary nahita fa nanao ny asany tamin`ny fomba matihanina na dia nisy aza ny sasany nataon`ny olona ao anaty kitapo iray amin`ireo mpanao politika. Tsy maintsy mandray andraikitra amin`ny maha matihanina azy ny mpanao gazety amin`ity fihodinana faharoa ity, hoy hatrany ny fanazavana. Natao hitatitra vaovao marina ny mpanao gazety satria betsaka ny olona no tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina. Izay no ilana ny fanofanana azy ireo momba ny fanovozam-baovao mikasika ny fifidianana sy ny fanamafisana hatrany ny traikefa efa ananany, hoy i Gerard Rakotonirina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT