Nifanaiky ny hiara-dia mandrakizay ka nohamasinina teny amin’ny FJKM Anosisoa Fitiavana tamin’ny sabotsy lasa teo ny fanambadian-dRafalimpanantsoa Andrianirina Sarah mpanao gazety ao amin’ny Les Nouvelles sy Randrianjafy Hary Lalaina.
Tonian’ny fanoratana ao amin’ny tambajotra akombaovao.net . Nofaranana tamin’ny koranam-pianakaviana teny Mandriambero ny lanonana. Mirary soa ho azy roa ny Tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.