Andro maneran-tany hanoherana ilay sokajin’olona mihevi-tena ho tsy maty manota nefa mahavita herisetra amin’ny mpanao gazety, no nomarihana iny omaly iny, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety,
Soava Andriamarotafika, filohan’ny AJRP na ny fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina. Raha misy ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna dia tokony hiharany avokoa ny olona mandika izany rehetra. Ho an’ny mpanao gazety manokana izay tsy mitovy amin’ny asa rehetra fa manana ny rijan-teny mifehy azy manokana dia tokony hisy ny antoka hanome sehatra azy ireo hahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany. Raha sanatria misy mahavanon-keloka ao anatin’izany dia tokony ho tompon’andraikitra. Matoa nefa misy ny mihevi-tena ho tsy maty manota dia satria tsy tanteraka ny andraikitry ny olona tokony hanenjika. 20 taona lasa izay, nisy namana tao amin’ny radiom-pirenena namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany. Namana mpanao gazety tao amin’ny “La gazette de la grande ile » koa maty tetsy amin’ny Rasalama vao tamin’ity taona ity. Tsy hita ny tohiny. Toy izany koa ilay namana voadaroka tao amin’ny Free news sy ireo mpanao gazety hafa rehetra nenjehina.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.