Actualités

Mpanao gazety Antsirabe Vonona amin’ny fifidianana ny filohan’ny Holafitra


  • Alakamisy 06 Novambra 2014

Vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety ny eto amin’ny Faritra Vakinankaratra. Fantatra io nandritra ny fiatrehana ilay dinika fakan-kevitra amin’ny fanavaozana ny lalŕna hifehy ny fifandraisana notontosaina tao an-toerana ny talata 04 novambra teo

. Efa tonga avokoa ny fitaovana rehetra ilaina mahakasika ny fifidianana araka ny nambaran’Atoa Randrianasolo Ernest, Mpitarika ny komitim-paritra misahana ny fifidianana faritany Antananarivo. Nandritra io fihaonana io moa no nanolorany izany ireo solontenany ao Vakinankaratra. Nampahafantariny tamin’izany fa raha toa ka tsy mbola am-pelatanan’ny mpanao gazety ny karatra maha matihanina dia afaka mifidy izy ireo rehefa ao anaty lisitra. Raha ny mpanao gazety mpifidy nahazo karatra moa ao Vakinankaratra dia nanodidina ny 40 any ho any amin’izao fotoana, ankoatra ireo tsy mbola tafiditra hiatrika ity fifidianana ity. Marihina fa mba hisian’ny mangarahara sy ny tsy fitongilanana dia ny efitrano malalaky ny Antenimieran’ny Varotra no hanaovana ny fifidianana ao Antsirabe ny sabotsy 08 novambra 2014 ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT