Miandrandra minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana vaovao mahavaha ny olan’izy ireo ireo mpanao asa tanana eto amintsika.
Raha araka ny nambaran’izy ireo mantsy dia mbola misy hatrany amin’izao fotoana izao ny fanondranana ireo akora fototra tokony hampiasain’izy ireo mankany ivelany raha efa voahodina sy vita izy ireny vao tokony halefa any. Vokany, lasa tsizarizary ny sehatra tokony hivelaran’ireo mpanao asa tanana, zara raha mahavelona ihany koa, koa hitarainany amin’ny mpitondra fanjakana. Saika ahitana io fanondranana akora fototra io daholo ny sehatra rehetra nefa tsy nandraisana fepetra mihitsy. Tsiahivina moa fa tokony ho ivon’ny asa fampandrosoana sy fampitomboana ny vola vahiny miditra eto amintsika ny asa tanana saingy noho io antony io dia tsy mety tratra ny tanjona. Inoana fa hijery akaiky ny mikasika izany ny minisitry ny asa tanana mpisolo toerana izay vao avy nanatontosa famindram-pahefana omaly, tamin’ny minisitra teo aloha Rasamoelina Brigitte.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.