Actualités

Mpanao aferana boaderozy Hogadraina any Nosy lava…


  • Talata 19 Martsa 2019

Hamboarina sy hatsaraina ny fonja any Nosy lava amin’izao fotoana izao. Isan’ny fanambin’i Andry Rajoelina ny fananganana fonja manara-penitra.

 

 

 Katsahana hamonjana ireo tompondakan’ny afera maloto eto amin’ny firenena, toy ny mpaka an-keriny na mpanao « kidnapping » sy ny mpanao aferana boaderozy, mpanao kolikoly avo lenta izy io, raha ny sombim-baovao vonjimaika azo. Ireo rehetra hadihadian’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ka voamarina fa nanao kolikoly ka helohin’ny fitsarana sy ireo nohelohin’ny Tribonaly manokana momba ny boaderozy izany no havantana halefa any, raha ny ritsoka re. Nosy kely iray any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara i Nosy lava ary ny tena nampalaza sy nahafantarana azy farany dia tany no nanagadrana ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’ny taona 1972.Efa nanomboka ny taona 1911 anefa ity nosy ity no nampiasain’ny mpanjanan-tany hanaovana sesitany sy hihazonana ireo gadra nampanaovina asa an-terivozona.Ary taty aoriana dia mbola nametrahana ireo olo-meloka nosokajiana ho gaigy lahy, ny taona 2000 no nakatona ny fonjan’i Nosy Lava ary nafindra tao Analalava ireo gadra tao ; nisy kosa anefa ireo najanona tany an-toerana natao ho mpiambina ny tanàna.Ankehitriny izany dia mety ho velomina indray ny fonjan’i Nosy lava ka hametrahana ireo mpanao trafikana boaderozy sy ny mpaka an-keriny.Zavatra roa izay raha tena hanaovana fanadihadiana lalina sy maharitra dia mety ho maro ihany ny olona, eny hatramina manampahefana aza ho voasambotra sy ho gadraina ; raha tena miasa anatin’ny fahaleovantena tokoa ny fitsarana.Efa ireny nivoaka ireny ohatra ny ampamoaka nataon’i Eddy Maminirina na Eddy boaderozy momba an’ireo olona ambarany fa mpiaro azy sy nomeny fanomezana, izay misy manamboninahitra ambony. Raha ny fotoana nisian’ny fanondranana andramena nanenjehana an’i Eddy Maminirina rahateo, dia tamin’ny andron’ny tetezamita nitondran-dRajoelina amin’ny ankapobeny. Lava dia lava ny lisitra navoakan’ny Praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky mahakasika izany ary misy anarana maro ao, saingy tsy hita popoka moa io lisitra io .

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT