Actualités

Mpanampy naolan’ny “patron” teny Behoririka Amin’ny 20 janoary ny fitsarana


  • Talata 05 Janoary 2016

Mitombo hatrany ireo ankizy voaolana eto amintsika. Ahitana tranga vaovao foana isan’andro, tonga manatona ireo ivon-toerana mandray an-tanana ny ankizy voaholana ireny.

 

Ho an’ny tetsy amin’ny fikambanana HAFARI Malagasy manokana omaly, fikambanana iray miaro sy zon’olombelona sy miady amin’ny tsindry hazolena dia zazavavy iray 18 taona no naolana lehilahy roa ka mitondra vohoka tsy fidiny, raha araka ny fitarainana nataon-dRazafizanaka Meltine Reniny. Niasa taman’olona teny Behoririka izy io. Ireo mpampiasa azy ihany raha araka ny fanazavan-dReniny no nanolana azy, rainy sy zanany lahy nandritra ny fotoana tsy nahatao an-tokantranony ilay Ramatoa. Efa in-telo no nanamparan’izy mianaka ny habibiany tamin’io zazavavy io hoy hatrany ny reniny zaza izay tokony mbola hianatra amin’io taom-pianarana ho avy io hanala ny fanadinana bakalôrea saingy noho  ny kahieny sy ny fitaovam-pianarany rehetra lena vokatry ny tondra-drano niseho teny Vahilava Soavina, toeram-ponenany  tamin’ny taon-dasa dia voatery nijanona izy ary niasa taman’olona mba hahafahany manangona fitaovana. Ny 15 desambra taona 2015 lasa teo moa no nitrangan’izany, fotoana tokony hodian’ilay zaza raha tapa-bolana taorian’izay izy vao tonga namonjy fodiana. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana moa  izy ireo ka ny 20 janoary ho avy izao no hiakatra fitsarana voalohany ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT