Actualités

Mpanamboatra basy «Ex-légionnaire» voasambotra


  • Alakamisy 22 Septambra 2016

Saron’ny polisy omaly tao Antsirabe ny «Ex-légionnaire» iray, raha nitady akora hanamboarana basy teny amin’ny mpivarotra korontam-by.


 Nanaitra ireo mpivarotra ny nahita azy nitady fantsona sy nanohatra izany tamin’ny bala iray ka niantsoan’ny olona mpitandro ny filaminana. Haingana dia tonga ny polisy nisambotra azy. Rehefa nosavaina ny tany an-tranony dia nahitana akora isan-karazany handrafetana basy vita gasy. Mbola nahitana balam-basy Mas36 niisa 11 ary balam-basy poleta iray ihany koa. Tamin’ny fisavana ny taratasy teny aminy no nahafantarana fa «Ex-légionnaire» ilay rangahy ary serzà ny gradiny. Hita tany aminy ny Pasipaorony izay nahafantarana fa mizaka zom-pirenena Frantsay izy, avy amin’ny reniny. Anio moa no hatolotra ny fampanoavana izy.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT