Actualités

Mpanala BEPC naolan’ny Ben’ny tanŕna Hiakatra Fitsarana amin’ny 23 oktobra ny raharaha


  • Talata 21 Oktobra 2014

Sendra nifanena an-dalana no nanita-tsaina ingahy olom-boafidy ary nikasa hanao an-keriny ity zazavavy 14 taona ity. Avy any ambanivolo hihazo ny tanŕna misy ny toeram-pianarany ity zazavavy ity no nifanena tamin’ingahy Ben’ny tanŕna. Nandangolango azy izy farany, ary nosintoniny farany tany anaty ala mihitsy rakalakely ary notolominy haolana. Teo am-

panesorana ny patalohany indrindra ilay olom-boafidy no voakaikitr’ilay ankizivavy ka tao anatin’izay no nanararaotra nitsoaka sy niantso vonjy rakalakely. Nampandre ny ray aman-dreniny tany Antsambaharo, Distrikan’i Sambava ny Fokonolona nanavotra azy. Nitondra mpiara-miasa sy ray aman-dreny hifandamina sy hanao raharaham-pihavanana ingahy Ben’ny tanàna saingy tsy nanaiky ny ray aman-drenin’ilay zazavavy fa nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Sambava, izay nandray an-tanana ny fanadihadiana ary nandefa izany tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha. Fantatra izao fa hotsaraina amin’ny alakamisy 23 oktobra ho avy izao ny raharaha. Taloha kelin’ny fanadinana BEPC farany teo no nitrangan’ity raharaha ity. Anisan’ireo kandida niatrika fanadinana ilay zazavavy. Niteraka fikorontan-tsaina taminy anefa io tranga io ary nitarika tamin’ny tsy fahafaham-panadinany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT