Marary tsaboina ao amin’ny hopitaly Befelatanana ny mpanakanto Pierrot Matatana, izay tsy zoviana amintsika intsony.
Misy tsentsina ny lalandra ao amin’ny fony, ka tsy maintsy handalo fandidiana izy. Tsy vita eto amintsika anefa izany fa tsy maintsy alefa any am-pitandranomasina. Vola mitentina 50 tapitrisa Ar no ilaina koa mangataka amin’ireo namany rehetra sy ny olona tsara sitrapo ary ny fitondram-panjakana i Pierrot Mahatanana mba hanampy azy sy ireo fianakaviany. Avy any amin’ny faritra Atsimo atsinanan’ny Nosy i Pierrot Mahatatana. Mpanakanto feno ny tenany satria sady mpanoratra no mpamoron-kira ho an’ireo malaza ihany koa. Ao amin’ny sampandraharaha mitsabo ny resaka fo USIC etsy Befelatanana moa no ahitana azy, varavarana faha-109 na azo hatao ihany koa ny miantso ny laharam-pinday 032 83 456 51 sy ny 034 53 200 35.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.