Actualités

Mpampianatry ny EPP Miverina miatrika fiofanana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Mba hahafahana manatsara hatrany ny kalitaon’ny fampianarana, indrindra ho famerenana ny hasin’ny fanabeazana dia miverina miatrika fiofanana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra na EPP.

Nanomboka ny faran’ny volana Aogositra lasa teo no niatrehan’izy ireo izany, haharitra enina herinandro. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no tompon’antoka amin’ny fampiofanana. Voakasik’izany avokoa ireo mpampianatra miisa 1.000 eto amin’ny Faritra Analamanga. Taranja sivy no hanofanana azy ireo arahin’ny teknika fampitana izany amin’ny mpianatra mba hahitana fahombiazana haingana. Hanaovan’ny mpiofana fandalinana manokana kosa ireo taranja hafa toy ny kajy, ny Malagasy. Nanambara ny tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, Andriamampandry Todisoa, fa « ny fanovana ny toe-tsaina no tena takiana » amin’ny mpampianatra rehefa misy fiofanana tahaka izao fa tsy dia ny fiandrasana vola ho tambiny hatrany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT