Raiki-tapisaka amin’ny Malagasy ankehitriny ny famonoana olona. Mpanaben’ny EPP Mahazoarivo, Ivandrika, tany Farafangana vao 23 taona no hitan’ny mpandalo efa tsy nisy aina intsony, tamin’ny 1 ora ny sabotsy teo. Voaolana izy ity mialoha ny namonoana azy, raha ny fampitam-baovao ofisialin’ny zandarimariam-pirenena.
Efa tahaka ny mamono akoho ny famonoana olona eto Madagasikara amin’izao. Raha mbola mihiratra ny andro ka manopy maso amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery dia ahitana vono olona avokoa. Matetika aza maro no hita faty amin’ny andro iray. Fomba feno habibiana tahaka ny tsatok'antsy maro be, fanakendana, fandorana, fanesorana ny filahiana, fanapahana ny ratsam-batana no hanatanterahan’ny tsy matahotody izany. Ny ankamaroan’ny vehivavy aza dia voaolana aloha vao vonoina, tahaka ity tranga Farafangana ity.
Maivana ny antony
Ny antony mahatonga ny vono olona anefa matetika tsy mifanaraka amin’ny sandan’ny aina afahana fa zavatra faran'izay kely toy ny fifamaliana, adin'ny mpifankatia. Ny valifaty izay miseho tahaka ny raharahan’i Maroantsetra amin’izao dia vao mainka miteraka asa ratsy maro toy ny fitsaram-bahoaka sy ny fanapotehana. Saika manerana an’i Madagasikara avokoa no ahitana ity asa ratsy ity. Misy an'io daholo na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Ny sahirana matetika no miharomotra noho ny adim-piainana ka lasa tsy mahafehy tena intsony. Heverina fa misy akony any amin'ny atidoha sy ny farahatoka ny fitobahan'ny kolontsaina sy ny fomba fanao vahiny amin'ny alalan'ny sarimihetsika sy ny tambajotran-tsosialy, ny “internet”. Mihen-danja ny hasin’ny aina sy ny zo maha olona ho an’ny Malagasy. Tsy tazana amin’ireo fanabeazana sy ny fandaharam-pampianarana loatra anefa ny fametrahana ny fikolokoloana ny hasin’ny aina. Hita ho maivana na tsy misy mihitsy aza ny fanabeazana ny olom-pirenena hanaja ny soatoavina sy ny maha saropady ny aina. Heverina ho tena tsy matahotra an'Andriamanitra intsony ny Malagasy, kanefa malaza ho firenena mpivavaka.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.