Actualités

Mpampianatra sy ny fitondrana Toy ny fanoto sy laona


  • Alakamisy 18 Aogositra 2016

Manambana ny hitokona indray ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra na ny Sempama amin’ny 26 septambra izao.

Toy ny mahazatra dia mbola ny resaka tsy fahafaham-po amin’ny tambin-karama sy ny tsy fahazoana izany ara-potoana no fototry ny fitakiana. Vinavinaina ihany koa fa rehefa hajanon’ireo mpitarika ny fitokonana dia mijanona na dia tsy mazava akory aza ny vokatry ny tolona natao.

Akaiky fanadinana na fidiran’ny mpianatra

Rehefa manakaiky ny fanadinam-panjakana na koa antomotra ny fidiran’ny mpianatra no vanim-potoana isian’ny fitokonan’ireo mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana tato ho ato. Tsy fantatry ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ireto mpitokona ihany ve izay elabe izay ny tena fototr’olana ? Tsy mety misy vahaolana maharitra mihitsy mantsy. Valiana amin’ny ampahany foana ilay fitakiana dia andrasana hitokona amin’ny manaraka indray vao omena kely.

Ny ray aman-dreny sy ny mpianatra no voatorotoro

Toy ny fanoto sy laona mihitsy ny mpampianatra sy ny fitondrana rehefa tsy mifanaraka ary dia ny ray aman-dreny sy ny mpianatra hatrany no voatorotoro ka mitaintaina ho an’ny hoavin-janany noho ny fitiavan-tenan’ny an-daniny sy ny an-kilany. Tsy ferana hatrany moa amin’ny tolona toy itony ny fisian’ilay mampanahy ireo tarihina dia ny fanasana ireo mpitarika hamono afo, porofon’izany ny fijanonan’ilay tolona tampoka kanefa tsy nahitam-bokatra mivaingana akory. Ary rehefa malazalaza amin’izay ireo mpitarika dia na lasa misy mpanao politika manohana avy ao ambadika na tafiditra anaty fitondrana mihitsy. Tsy ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra ihany no ahitana an’io fa hatreny Ankatso sy ny sampandraharaham-panjakana misy manerana ny nosy. Rehefa mivaly anefa ny voka-panadinam-panjakana dia matetika ambany dia ambany foana ny taham-pahombiazan’ireo mpianatra avy amin’ny sekolin’ny “zana-bahoaka”.

Faralahimatoa     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT