Actualités

Mpampianatra mpikaroka Tsy laharam-pahamehana ny frankofonia


  • Zoma 25 Novambra 2016

Nisokatra omaly alakamisy ary hifarana anio zoma hariva eny Ambohipo ny filankevi-pirenen’ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra), izay handinihany ny raharaham-pirenena sy ny fiainan'ny oniversite ary ny fitakiany.

 Mahakasika izay fitakiana izay dia ny 1/3 no voavaly, kanefa ny fanjakana dia nampanantena fa amin’ity taona ity ny ambiny saingy tsy mbola tanteraka hatramin’izao. Tsy tafiditra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2017 ihany koa ny fangatahan’izy ireo, sady tsy nangalana ny heviny ny famolavolana io tetibola io. Tsy voahaja, araka izany, ny fifanarahana natao sonia niarahana tamin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny 10 septambra 2015. Mahakasika ny raharaham-pirenena dia efa nanao fanairana amin’ny tsy fisian’ny mangaraharaha eto amin’ny firenena, toy ny vola laniana amin’ny fandraisana ny frankofonia sy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany SECES ny 3 novambra lasa teo. Nolazain’izy ireo fa tsy laharam-pahamehana ny fandraisana ny frankofonia rehefa hanelingelenana ny fiveloman’ny hafa toy ny fanakanana ireo vahoaka madinika zara raha mandray ariary zato isan’andro ny sasany. Zary lasa tompony mangataka atiny eto amin’ny taniny ny Malagasy noho ny afitsoky ny mpitondra, izay malaza ho mpivarotra tanindrazana, hoy izy ireo tamin’izany. Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara toeran’ny mpampianatra eto amin’ny firenena, saingy ataon’ny mpitondra anjorom-bala hatrany. Porofon’izany ny tsy fivahan’ny olona mianjady amin’izy ireo hatry ny ela. Ny mpitondra anefa dia tsy takona hafenina ny tsy fahaiza-mitantana sy mijery ny laharam-pahamehana, ary indrindra ny firobarobana amin’ny volam-bahoaka. Hisy ny fanambarana goavana sy famoahana izay fehin-kevitra tapaka mandritra izao filankevi-pirenena izao anio tolakandro. Tsy dia hivaona loatra amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny oniversite ary ny fitakian’izy ireo izany.

Toky R./Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT